♦ Nirehitra ny toeram-ponenana tao Antanambaovao ao Foulpointe any amin'ny Faritra Atsinanana. Trano 50 tafo eo no  kilan'ny afo. Miantso ny tompon'andraikitra sy ireo tsara sitrapo ny traboina hanampy azy ireo... ♦ Miantso ny mpiara-miombon'antoka na ato anatiny na any  ivelany ny fitondram-panjakàna malagasy nandritra ny filan-kevitry ny ministra amin'ny fifanomezan-tanana amin'ny fampitaovana ilaina hifehezana faran'izay haingana ny afo miparitaka amin'ireo ala mirehitra eto amintsika... ♦ Mitohy ny fiantsoana an'ireo mpiara-miombon'antoka hafa na teratany vahiny na teratany malagasy amin'ny fanatanterahana ilay tetik'asa hamokarana sakafo amin'ny velaran-tany 60 000 Ha ao Bas-Mangoky...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...