♦ Namaly an'Andriamatoa Norbert Lala Ratsirahonana ny mpanolontsaina manokan'ny filoham-pirenena, Soja Jean André, omaly. Niteraka resa-be ny teny nambaran'ny filohan'ny AVI milaza ny fiongànan'ny fitondràna tsy tohanany... ♦ Hitaky ny fisitrahana ilay famatsiam-bola hiatrehana ny fiovaovàn'ny toetr'andro miaraka amin'ireo tany Afrikàna i Madagasikara mandritra ny COP27. Manomana ireo fehin-kevitra entina amin'izany fivoriana iraisam-pirenena izany ny firenena malagasy amin'izao... ♦ Ankizy maherin'ny 400 000 isa no hahazo kilalao avy any ivelany amin'ny fiandohan'ny taona ho avy io. Anatin'ny tetik'asa karakarain'ny ONG TAK eto Madagasikara izy io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...