♦ Nifanakalo hevitra momba ireo antokom-pivavahana samihafa omaly ny Evekan'i Madagasikara manao ny Visite ad limina any Roma. Noresahana niaraka tamin'ny sampan-draharaha miandraikitra izany koa ny fiainan'ny pretra sy ny fitoriana ny Vaovao mahafaly... ♦ Nanapa-kevitra hiverina hiasa manomboka amin'ny alarobia izao ny mpiraki-draharaham-pitsaràna taorian'ny fampitandremana hampihatra fanapahan-karama nataon'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tokony hisy ny mangarahara sy ny fampahafantarana ny vaovao misy sy marina momba ny fitrandrahana fasi-mainty ao Toliara mba tsy hampiroroa saina ny mponina, hoy Profesora Razakamanana Théodore...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...