♦ Nifarana omaly ny Visite Ad Limina nataon'ireo Evekan'i Madagasikara tany Roma. Sampan-draharaha lehibe efatra eo anivon'ny Fiketrahana Masina no namaranan'izy ireo izany fitsidihana sy fivahinianana izany... ♦ Nampanantena ny tsy maintsy hanarenana ny kaompania "Air Madagascar' ny filoham-pirenena omaly, tamin'ny fampahafantarana ny voarakitry ny P.E.M. Hitohy anio ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fampiasam-bola ho an'ny fisandratan'i Madagasikara ety amin'ny CCI IVato... ♦ Nanitsy ny Ministry ny Atitany omaly fa tsy ao anatin'ireo hatonta eny amin'ny trano pirinty tsy miankina ny taratasim-panjakàna fanamboarana kara-panondrom-pirenena. Niteraka resa-be teo amin'ny tontolo pôlitika tamin'ity herinandro ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...