♦ Nohamasinina ho Eveka omaly tany Poznan Pologne i Mgr Tomasz Grysa, izay notendren'ny Papa François ho Nonce apostolique eto Madagasikara... ♦ Amin'ny alina vao mahazo rano ny mponina eny amin'ny Kaominina Bemasoandro Itaosy. Nitady vahaolana ny Fikambanana Tsiorintsoa atsimondrano, nanangàna paompin-drano 4 eny an-toerana, notokànana tamin'ity fomba ôfisialy omaly... ♦ Tafatsangana tamin'ny fomba ôfisialy ny sampan'ny Fisemare tamin'ny tapany andrefan'Antananarivo. Tanjona ny hahazoan'ny sendikà ny mpiasa maro an'isa eny anivon'ny orinasa, mba hisian'ny fanajàna ny zon'ny mpiasa, araka ny voalazan'ny lalàna...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...