♦ Nihazo an'i Ejipta ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, hanatrika ilay fikaonandoha eran-tany momba ny fiovaovan'ny toetr'andro na COP27. Handray fitenenana anoloan'ireo mpivory izy rahampitso talata... ♦ Tokony hajanona ny fifanenjehana sy fifanaratsiana eto amin'ny firenena hoy Andriamatoa Augustin Andriamananoro. Misy ny lesoka amin'ny fitantanana, nefa tsy voatery ho voafehy ny zava-mitranga, hoy ity mpanao pôlitika mpomba ny fitondràna ity... ♦ Hihena ny isan'ireo mpampianatra hisitraka ilay vola fanampiana ho an'ny mpampianatra amin'ny sekoly tsy miankina amin'ity taona ity. Miléa hanokanana teti-bola misimisy ny fampianarana tsy miankina, hoy ireo mpitantana sekoly...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...