♦ Mila hovaina ny fehezan-dalana momba ny fiahiana ara-tsôsialin'ny mpiasa eto Madagasikara mba hanatsaràna ny tahan'ny asa mendrika. Antso nataon'ny Praiministra nandritra ny fanakatonana ny fikaonandoha momba ny asa mendrika natao tao an-drenivohitra... ♦ Nahafa-po ny mpanao tombana ny fomba fiasan'ny 65% amin'ny tale nanaovana tombana ao amin'ny orinasa JIRAMA. Harenina ny lesoka ho an'ireo 35%. Tale miisa 30/40 no vita fanadihadiana... ♦ Mihamitombo isan-kerinandro ny isan'ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 71 ny tranga voatily ny 5 hatramin'ny faha 11 novambra teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...