♦ Nilatsaham-potaka ny fiangonana katôlika Mahatsinjokely, distrikan'i Bemahatazana, diôsezin'i Tsiroanomandidy ny alin'ny sabotsy. Miisa roa no namoy ny ainy teo noho eo, 30 kosa ireo naratra... ♦ Miazakazaka ny fitombon'ny isan'ny mponina mipetraka amin'ny toeram-ponenana tsy zarizary ho an'ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ho an'Antananarivo renivohitra, mandray olona vaovao tonga manoro-ponenana manodidina ny iray hetsy isan-taona ; ny ankamaroan'izy ireo saika mamonjy ny toeram-ponenana tsy zarizary avokoa... ♦ Mbola tsy ampy ny isan'ny injeniera eto Madagasikara. Miisa 15 000 izy ireo, 40 000 isa mahery anefa ny filàna afaka folo taona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...