♦ Misasaka ny fe-potoana hanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy ho an'ny fifidianana amin'ny taona ho avy. Lasa nampanahirana ny CENI ny tsy nisian'ny fikaonandoham-pirenena, nialohan'ny nanatanterahana izany, hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Voavolavola ny drafitra stratejika ankapobeny ho fanaraha-maso ny asa eto Madagasikara. Nampahafantarina omaly izany drafitra izany, ho fanatsaràna ny aro loza sy fitandremam-pahasalamana eny anivon'ny toeram-piasàna... ♦ Olona miisa 6, no maty nilatsaham-potaka tany Tsiafabositra Maevantanàna omaly. Andro vao maraina ny nisian'izao fipoahan'ny varatra izao, narahin'ny rotsak'orana sy kotroka...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...