♦ Asa an-terivozina mandra-pahafatiny, izay ny sazin'ny olona miisa 8 tamin'ireo olona 12 isa notanana am-ponja vonjy maika voapanga tamin'ny famonoana an'itkpl Rakotoharisoa Henri ny 02 jona teo. ity farany dia zoky olona mpiaro ny tontolo iainana... ♦ Hahazo tohana avy amin'ny fandaharan'asa SME BLP tohanan'ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana ny orinasa madinika sy salantsalany miisa 300 eto Madagasikara, 150 orinsa no efa nisitraka izay tohana izay... ♦ Hiara-hiasa amin'ny foibem-pitsirihana momba ny mponina sy ny toe-karena ary sôsialy any Canada amin'ny fikirakirana sy fandalinana ny angom-baovao ao aminy ny Instat. Vita sonia ny fifanarahana momba izany...