♦ Tapaka tanteraka ny tady eo amin'ny fitondràna ankehitriny sy ny antoko MMM. Namafisin'Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo ny tsy hiarahan'izy ireo intsony amin'ny fitondràna nandritra ny fikaonandoham-paritra teto Analamanga... ♦ Nihamafy indray ny fahatapahan-jiro tato ho ato, noho ny olan'ny famokarana sy famatsiana herinaratra. Nilaza ny hampihena ny delestazy ety amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny Jirama, afahan'ny rehetra mijery ny Mondial 2022... ♦ Kendrena hanana trano fivoahana ny 90% amin'ny vahoaka malagasy amin'ny taona 2025, araka ny vina napetraka. Mbola ny 32% ihany amin'izao no mampiasa izany, araka ny tokony ho izy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...