♦Tsy handany volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2023 ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara. Ambaran'izy ireo ho tsy mitsinjo ny sôsialim-bahoaka ary tsy mijery ny laharam-pahamehana ho an'ny firenena izany volavolan-dalàna LFI-2023 izany... ♦ Mampiantrano fivoriambe iraisam-pirenena ho an'ny fandintseranana i Madagasikara. Firenena maherin'ny 20 isa aty Afrika no mandray anjara... ♦ Nisantarana ny fizaran'ny fitondram-panjakàna hanam-pamokarana ho an'ny tantsaha teto amin'ny Faritra Analamanga ny tato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo... ♦ Tsy latsaky ny 70 ny tifitra misila nataon'ny rosianina tany Ukraine omaly, lasibatra ny toerana famokarana angovo...