♦ Olom-pirenena maherin'ny 5.000.000 isa ihany no efa tafitditra anaty lisitry ny mpifidy amin'izao fanavaozana manontolo izao. Mbola ny 37% amin'ny tanjona napetraky ny CENI ihany no tratra ankehitriny... ♦ Resy teo anivon'ny filan-kevi-panjakàna ireo mpirakidraharaha tapaka karama tamin'ity volana nôvambra ity, noho ilay fitokonana farany teo. Milaza ho tsy mahefa hitsara ny fitorian'izy ireo ity fitsaràna ity... ♦ Handray anjara amin'ny fanamarihana ny andro eran-tany iadiana amin'ny SIDA ny Fiangonana Katôlika. Misy ny hetsika fanentanana sy fampirantiana eny Analakely hatramin'ny rahampitso, izay ivon'ny fankalazàna...