♦ Nodisoan'ny Ministry ny Atitany ny filazàna fa manakana ireo antoko pôlitika sasany amin'ny fihetsiketsehana hiomanana amin'ny fifidianana ny fitondram-panjakàna. Tsy tokony hisy olana raha hajaina ny lalàna, hoy izy... ♦ Handalo fankatoavana eny Tsimbazaza ilay tolo-dalàna momba ny fanavaozana ny rafi-pampianarana, raha tsy misy ny fiovàna. Misy mampiahiahy io tolo-dalàna io, ka tokony hifandinihina aloha, hoy ny tale nasiônalin'ny fanabeazana katôlika... ♦ Mitaky ny hametrahana PDS hitantana ny kaominina Moramanga ny Vovonan'ny Hery velona monina any an-toerana. Nanao fanambaràna tsy manaiky amin'ny ambarany fa fikorontanan'ny tanànan'i Moramanga izy ireo...