♦ Ny rafitra mihitsy no olana amin'ny fampandrosoana ny firenena, fa tsy ny Governemanta, hoy ny avy amin'ny vondrona Panorama, nanoloana ilay raharaha teny Tsimbazaza... ♦ Mitaky ny hanatsarana ny lalam-pifidianana ny KMF/Cnoe, tanatin'ny fanambaran'izy ireo. Tokony hisy ny fakan-kevitra isam-paritra, handrafetana volavolan-dalana amin'izany fanatsarana izany... ♦ Mbola tsy tafarina ireo mpandraharaha amin'ny sehatra tsy miankina, roa taona aty aorian'ny krizin'ny Covid-19, hoy ny filohan'ny Fivmpama...