♦ Tokony hipetraka eto Madagasikara hoy Andriamatoa Gerard Ramamimampionina ny pôlitika mitsinjo fihavanana sy fifankatiavana mba hananan'ny olom-pirenena fitoniana sy filaminana eo am-piandrasana ny fety... ♦ Voafidy ho filoha hitantana ny sendikàn'ny mpiasa FISEMARE ao anatin'ny 4-taona ho avy Ramatoa Francine Randrianarisoa. Sendika manaja hatrany ny dinika sôsialy hampanjakàna ny asa mendrika... ♦  Tandindomin-doza amin'ny voka-dratsy ateraky ny fifohana sigara ny tanora eto Madagasikara. Tsy misy anefa ny lalàna mifehy ny ady atao amin'izany fifohana sigara izany... ♦ Noraran'ny Fanjakàna Taliban any Afghanistan ny fandratoan'ny vehivavy fianarana amin'ny anjerimanontolo, ary namoahana didiy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...