♦ Hotsiahivina amin'ny taranaka faramandimby ny fampianarana nataon'ny Papa Emérite Benoît XVI, hoy ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, raha nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany, avy nanatrika ny fandevenana azy tany Vatican... ♦ Fandikan-dalàna ny fanafenana entam-barotra toy ny vary, ka handray ny andraikitra tandrify azy ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifàna... ♦ Tratran'ny fifidra-monina an-tanàn-dehibe ny ao Toliara-I hoy ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana RABEHAJA Jean. Tsy mandrara ny fifindra-monina ny lalàna misy saingy tsy voaomana handray ireny, ny foto-drafitr'asa misy ao Toliara hany ka miteraka olana ara-tsôsialy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...