♦ Nigadona an-tanindrazana omaly ny filohan'ny fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara MGR Raharilamboniaina Marie Fabien rehefa avy nanatrika ny fotoam-pandevenana an'ny Papa Emérite Benoît XVI, tany Vatican ny alakamisy lasa teo... ♦ Handray andraikitra amin'ireo minia manafina entam-barotra ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifàna. Fandikan-dalàna izany hoy ny tompon'andraikitra raha nidina ifotony nijery ny vidim-bary omaly... ♦ Mitranga ao Toliara-I ny fifindra-monina an-tanàn-dehibe. Tsy miomana handray ireo mpifindra monina noho ny foto-drafitr'asa tsy ampy nefa ny ao Toliara ka miteraka olana ara-tsôsialy izany hoy ny solombavambahoaka RABEHAJA Jean...