♦ Mbola nanamafy ny fitakiana ny hanatsaràna ny fomba fikarakaràna ny fifidianana hotanterahina amin'ity taona ity ny RMDM. Nilaza Andriamatoa Marc Ravalomanana fa tokony hovaina ny Lalàm-pifidianana sy ireo mpikamban'ny rafitra mpikarakara... ♦ Velaran-tany 13.000 ha any antampon' i Ihorombe no hanaovana tetik'asa fampandrosoana marolafy. Hapetraka any an-toerana ny "zone d'emergence integré" hoy ny Governora any an-toerana... ♦ Miantso ny Fanjakàna foibe hijery akaiky ny fomba hamahàna ny olana mampikatso ny fisokafan'ny orinasa Base Toliara ireo Sefo Fokontany ao Toliara-I. Ho tombontsoan'ny Faritra Atsimo-Andrefana no anton'izany hoy izy ireo...