♦ Mety ho betsaka ny rotsak'orana aty afovoan-tany sy ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny telo andro, raha ny vinavinan'ny Météo. Misy ny filazàna fahamailoana amin'ny mety ho fiakaran'ny rano sy ny fihotsahan'ny tany, mety haterak'izany... ♦ Mila ho isan-kerinandro ny fiakaran'ny vidim-bary sy voamaina vokarina eto an-toerana eny an-tsena amin'izao. 200 Ariary isan-kilao ny fiakaran'ny vidim-bary, 100% aza ny fisondrotry ny vidin'ny katsaka ankehitriny... ♦ Nanao fanambaràna ireo Ben'ny Tanàna maro an'isa any Ambovombe-Androy, manoloana ny fanenjehina ny kestora voalohany eo anivon'ny Antenimieram-pirenena. Nomelohin'izy ireo ny fanaratsiana ity solombavambahoakan'Ambovombe ity, izay ataonà olom-boafidy hafa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...