♦ Mandeha ny resaka fa mety hisy ny fanovana ny Governemanta ato ho ato. Mbola tsy tokony ho amin'izao no hisian'izany, fa hiverina ihany ny tsy fahombiazana, raha fanovana fotsiny no hatao, hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Manome fe-potoana ny fanjakana ny Fikambanan'ireo mpitatitra entana amin'ny fiara vaventy, manoloana ny faharatsian'ny RN2. Hanatevina ny hetsiky ny mpamily izy ireo, raha tsy misy ny asa atao ato anatin'ny telo andro... ♦ Hisy fandaharan'asa vaovao indray hanohizana ny fiahiana ara-tsôsialin'ireo mponina tena marefo ara-pivelomana. Vola 250 tapitrisa Dôlara no hamatsiana izany manomboka ny volana jona ka hatramin'ny taona 2027...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...