♦ Niatrika ny fetin'ny Paka tao anatin'ny filaminana tamin'ny ankapobeny ny Malagasy tamin'ity taona ity. Misy ny fintina sy akon'ireo tranga samihafa nisongadina, nandritra ity fety ity... ♦ Tsy misy tena antony handraràn'ny fotondrana ny hetsika pôlitika ankalamanjana, izao mialohan'ny fifidianana izao, hoy ny antoko Fiombonana. Nambaran'ny antoko fa natao hikendrena manokana ireo mety ho kandidà no tanjon'ny fanapahan-kevitry ny Ministry ny Atitany amin'izany... ♦ Olona  400.000 isa no nisitraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana tamin'ny fandaharan'asa fahasalamana manakaiky vahoaka, notanterahin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka. Tobim-pahasalamana 2.000 isa mahery no nomena fampitaovana tao anatin'ny 5 taona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...