♦ Nosokafana omaly ny fihaonambe fanaon'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco isan-taona. Nanombohana ny fotoana ny fandalinana manokana ny sinaodin'ny eveka momba ny " mba ho Eglizy miara-dia " notarihan'ny Eveka Mpanampy eto Antananarivo, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Nihaona tamin'ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena ho an'ny faritra atsinanana sy atsimon'i Afrika tany Washington-Etazonia ny Ministry ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola Malagasy. Ho tohizana ny dina ara-toe-karena vitantsika hoy Ramatoa Kwakwa Victoria... ♦ Tsy mbola midina ny vidim-bary eny an-tsena na efa anatin'ny fararano aza. Tafakatra 4.100Ar/kg amin'ny vary mkalioka sy ny vary mena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...