♦ Homarihana amin'ny alalan'ny pelerinazy diôseziana ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao ny faha-5 taona nanandratana ho olontsambatra an'i Ramose Lucien Botovasoa. Efa nanomboka androany ny fandaharam-potoana momba izany... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizin'ny lalana i Madagasikara omaly. Ny herisetra mianjady aminy any an-tokantrano na ny tsy fahampiana anivon'ny ankohonana no manosika azy ireo hirenireny an-dalambe... ♦ Hoampahafantarina ny daholo be mandritra ny hetsika FIARA ZO hanomboka ny 26 avrily 2023 izao ny lalàna sy ny zo amin'ny maha olom-pirenena...

 

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...