♦ Nidina ifotony nandamina ny olan'ny lavanila, tany amin'ny Faritra Sava, ny Filohan'ny Repoblika. Nambaran'Andriamatoa Andry Rajoelina, fa tsy mivadika amin'ny fitokisan'ny vahoaka any Sava izy... ♦ Hanolotra tolo-dalàna eny amin'ny Antenimiera mpanao lalàna hankatoavana ireo "Kibouches", atsy amin'ny nosy Mayotte, ho foko malagasy faha-19, ny fiarahamonim-pirenena Mijoro Mandroso... ♦ Manaitra ny tompon'andraikitra samihafa ny fikambanana iray manara-maso ny tanora, fa mitombo izay tsy izy ny famonoan-tenan'ny tanora, tao anatin'ny iray volana. Maro ny antony manosika azy ireo hamono tena, araka ny fanadihadiana natao, hoy ity fikambanana ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...