♦ Misy olana famatsiana solika hamokarana herinaratra ny Jirama amina distrika maromaro manerana ny nosy. Mihatra indray ny delestazy, vokatr'izany, ka hitondra ny heviny eto ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nasiam-panovàna betsaka ny resaka fahazoana mitrandraka, anatin'ny lalàna vaovao mifehy ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany. Tsy hisy fahazoan-dalana zarazaraina fotsiny intsony manomboka izao, hoy ny ministra... ♦ Kendrena ho tafakatra 15% amin'ny mponina eto Madagasikara no hisitraka ny fiahiana ara-tsôsialy ho an'ity taona ity. Mangataka ny hampitomboana ny teti-bola iatrehana izany ny Minisiteran'ny mponina sy ny fiahiana ara-tsôsialy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...