♦ Tsy mamadika fa miaro ny vahoaka amin'ny tsy rariny ireo solombavambahoaka anatin'ny Mihava Tour, hoy ny Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, raha namarana ny fitsidihana tany amin'ny Faritr'i Sava. Fotoana nilazany ny tsy fiarahan'izy ireo intsony amin'ny fitondràna... ♦ Olona roa no voasambotra, anisan'ireo tompon'andraikitra tamin'ny fitondràna ireo mpifindra monina antsokosoko, saika hiondrana tatsy amin'ny nosy Mayotte ny alin'ny 11 marsa teo. Hitondra fanazavàna ny eo anivon'ny APMF... ♦ Zaza 5 mianadahy no maty, vokatry ny fihinanana veoveo tany amin'ny Fokontany Vohitsindry, Kaominina Namorona, Distrika Manakara. Ny hanohanana no nahatonga azy ireo nihinana io karazan-java-maniry io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...