♦ Handray anjara amin'ny fivoriana an-tampon'ny COMESA amin'ity taona ity ny delegasiôna Malagasy tarihan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Fihaonana hatao atsy Lusaka Zambie ny 08 jona 2023 ho avy izao... ♦ Heverina hisokatra amin'ny volana jolay izao ny Bankin'ny Paositra eto Madagasikara. Ireo biraon'ny Paositra 250 manerana ny nosy no hotrandrahana saingy ny birao amin'ny tanàn-dehibe miisa 28 no hisantarana izany... ♦ Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo Voajanahary Lovain-jafy amin'ny ilany antsinanan'i Madagasikara" amin'ny fahafahan'ny tantsaha miatrika ny fiovan'ny toetr'andro tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika 174 isa no natao nandritra izany hoy ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...