♦ Natomboka ny faran'ny herinandro teo ny fanamboarana ilay fantsona famatsiana rano ho an'ny amin'ny Faritra Androy miala any Efaho. Hahatratra 97 kma ny halavany, hamatsy rano 15 tapitrisa metatra tora-telo isan-taona... ♦ Manahy ny tsy haha-voatazona ny fameram-bidy farany ambany ny lavanila ho 75000 Ariary ireo tantsaha ao anatin'ny Sahanala, taorian'ny famahàna olana tany Sava. Hihaona amin'ny Praiministra izy ireo, manoloana izany... ♦ Nomarihana ny sabotsy teo ny andro eran-tany ho an'ny tany. Hetsi-panentanana nanairana ny rehetra teny Analakely no nentin'ny fianakaviambe Fransiskàna nanamarihana izany... ♦ Mampody ireo terataniny monina sy miasa any Soudan ireo firenena eropeana, manoloana ny ady any an-toerana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...