♦ Tokony handany ilay tolo-dalàna hanovàna ny lalàm-pifidianana ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza, hoy ny Vondrona Panorama manoloana ny zava-misy amin'izao fotoana izao... ♦ Nametrahana ny foiben-toeran'ny antoko Tiako I Madagasikara ny etsy Talatamaty ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Notokanana omaly ny zava-bita... ♦ Hampiantrano ny Filan-kevitry ny Ministr'ireo firenena anatin'ny vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara ny 17 mey ho avy izao. Hanatrika izany ny Ministry ny raharaham-bahiny Frantsay... ♦ Tsy voahaja ny fampitsaharana ny fifandonana any Soudan omaly. Meherin'ny 500 isa ny maty tao anatin'ny 11 andro nisian'ny ady...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...