♦ Amperin'asa tanteraka ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin'ny Fanjakàna ny harena azo avy amin'ny fomba tsy ara-dalana na ny ARAI. Tombanana 5 miliara Ariary mahery sy fiara 180 isa no efa nogiazan'izy ireo... ♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny Aro Loza sy ny Fahasalamana momba ny asa isika teto Madagasikara. 900 isa mahery ny isan'ny mpiasa niharan'izay loza amperin'asa izay ny taona 2022...  ♦ Hohamafisina ny fanaraha-maso ny aretina mpahazo ny biby mety hifindra amin'ny olombelona na ilay antsoina hoe " zoonos". Amin'ny alalan'ny tetik'asa AFRICAM no ahafahana manatanteraka izany ho antsika malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...