♦ Tsy manana kandidà ny Eglizy Katôlika amin'ny fifidianana, hoy ny Fivondronamben'ny Eveka, tamin'ny hafatra nomeny. Nambaran'izy ireo fa olo-marina sy hendry ary tia tanindrazana, no mendrika hofidiana... ♦ Namafisin'ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo, fa 238.800 Ariary, ny karama farany ambany. Tsy misy intsony ny fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'ny fandoavana azy io... ♦ Hotapahana amin'ny alahady izao ny fampiantranoan'i Madagasikara, na tsia, ny Lalaon'ny Nosy aty amin'ny Ranomasimbe Indiana. Miatrika fivoriana eto Antananarivo ny Kômitin'ny Lalaon'ny Nosy, mandinika izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...