♦ Tsy hisy fitsofan-drano ny fiarahan'ny mitovy fananahana na oviana na oviana ato amin'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara hoy ny Evekan'i Madagasikara androany manoloana ilay fanambarana "fitokisana am-pitalahoana" nataon'i Vatikana ny 18 desambra 2023 teo ary nosoniavin'i Papa François... ♦ Vinavinaina hivoaka an-dranomasina anio alina any amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany ny sisan-drahona miaraka amin'ilay andro ratsy Alvaro. tao amin'ny distrikan'i Fianarantsoa no nisy ny foibeny ny tolakandro teo hoy ny teo anivon'ny Météo Madagasikara... ♦ Maherin'ny 400 hatramin'ny tolak'andro teo ny isan'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ilay rivo-doza Alvaro tany amin'ny distrikan'i Morombe, Faritra Atsimo-Andrefana....

[audio src="/images/sounds/jsr-20240102.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...