♦ Nivoaka an-dranomasina ka tany amin'ny 324 km atsimo-atsinanan'i Farafangana no nisy ilay rivo-doza Alvaro, tamin'ny 10 maraina teo... ♦ An-dalana ho any Fianarantsoa ny fiarabe mitondra ny fitaovana sy kojakoja ilaina amin'ny fametrahana tetezana vonjy maika ao amain'ny PK 416 + 300 ao Mahazengy - Fianarantsoa, vokatry ny fahatapahan'ny lalana nateraky ny rivo-doza Alvaro... ♦ Nahemotra amin'ny fotoana manaraka ny fiakaran'ireo olona voarohirohy tamin'ny raharaha hosoka sy fisolokiana tanin'olona teny Isahafa-Anosiavaratra... ♦ Nankalaza ny fetin'ny Noely tamim-pahanginana sy niafina ny ankohonam-piainana kristiana tany Birmanie...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240103.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...