♦ Ho fantatra tsy ho ela ny anaran'izay ho praiministra amin'izao fe-potoan-kiasana faharoan'ny filohan'ny repoblika izao. Tsy resy lahatra amin'izay governemanta hijoro eo Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno... ♦ Hanova paik'ady amin'ny fitarihana ny antoko ny filohan'ny Tiako i Madagasikara. Niantso ny mpanara-dia azy ho sahy hijoro hanangana firenena vanona sy matanjaka Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Miisa 5 ny olona maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro teto amintsika. Maherin'ny 16.000 ny tra-boina... ♦ 95 farafahakeliny no maty tany Iran, 200 mahery ny olona naratra. Izay no vokatry ny fipoahana nahary vaika in-droa niantona nandritra ny fanamarihana ny faha efa-taona nahafatesan'i Qassem Soleimani...

[audio src="/images/sounds/jma-20240104.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...