♦ Tafiakatra 5.010 Ariary ny iray Euro omaly tolakandro tamin'ny fikatonan'ny tsenan'ny fifanakalozana vola vahiny. Manodidina ny 4.500Ariary kosa ny iray Dolara... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny ministra hisahana ny fanjifana ho avy eo ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI hitondra ny tetik'asa izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa... ♦ Vahaolana entina mamaha ny fahantran'ny tontolo ambanivohitra ny fampiofanana ara-pambolena hoy ny tambazotra FARMADA... ♦ Namoizana ain'olona 78 farafahakeliny ny horohoron-tany nitranga tany Japon tamin'ny alatsinainy teo araka ny tarehimarika farany. Am-polony ireo tsy hita popoka hatramin'izao...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240104.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...