♦ Mahita ny madilana mila hotentenana amin'ny andininy faha-54 ao amin'ny Lalam-panorenena momba ny fanoloran'ny antoko na vondrona pôlitika maro an'isa ny anaran'ny Praiministra ho tendren'ny Filohan'ny Repoblika hoy ny filohan'ny KMF/Cnoe. Manaraka ny Lalam-panorenana tsara ny fanendrena, hoy indray ny solombavambahoaka IRD miaradia amin'ny fitondrana... ♦ Nahiditra am-ponja vonjy maika noho ilay raharaha vary simba 50 kaontenera tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga nafindra tany amin'ny orinasa iray ao an-toerana ny Prefet an'i Mahajanga... ♦ Tantsaha maherin'ny 44.700 avy amin'ny Faritra 16 eto amin'ny nosy no nisitraka hanam-pamokarana tamin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240105.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...