♦ Tsy voafaritra anaty ny Lalam-panorenana ny hoe : manolotra olona 3 hisafidianan'ny Filohan'ny Repoblika ho Praiministra ny solombavambahoaka hoy ny filohan'ny KMF/Cnoe omaly... ♦ Manaraka ny Lalam-panorenana tsara ny fanendrena ny Praiministra hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny vondrona IRD... ♦ Tantsaha maherin'ny 40.000 avy amin'ny Faritra 16 eto Madagasikara no nisitraka masomboly sy zezika avy amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Tafakatara 1.900.000 ireo teratany Gazaoui nifindra monina any amin'ny faritra atsimon'i Gaza...

[audio src="/images/sounds/jma-20240106.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...