♦ Tsy voafaritra anaty ny Lalam-panorenana ny hoe : manolotra olona 3 hisafidianan'ny Filohan'ny Repoblika ho Praiministra ny solombavambahoaka hoy ny filohan'ny KMF/Cnoe omaly... ♦ Manaraka ny Lalam-panorenana tsara ny fanendrena ny Praiministra hoy ny solombavambahoaka avy amin'ny vondrona IRD... ♦ Tantsaha maherin'ny 40.000 avy amin'ny Faritra 16 eto Madagasikara no nisitraka masomboly sy zezika avy amin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana tamin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA... ♦ Tafakatara 1.900.000 ireo teratany Gazaoui nifindra monina any amin'ny faritra atsimon'i Gaza...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...