♦ Manahy ny fivangongoan'ny fahefana amin'ny filohan'ny Repoblika amin'ny fanendrena ny mpikamban'ny governemanta ny KMF/Cnoe... ♦ Tsy nanomana ireo izay hiara-hiasa aminy hitantana ny firenena ny filohan'ny Repoblika matoa mbola handray "CV" sy hitsapa ny fahaizan'ireo izay te ho ministra ao amin'ny governemanta, hoy ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Nisy nandroba ny fiangonana EKAR Saint Jena de Matha Andranomadio, Diôsezy Tsiroanomandidy ny alarobia teo... ♦ Mitaky onitra mitentina 370 tapitrisa Dolara amin'ny filoha Amerikana teo aloha, Donald Trump ny fanjakàna any New York - Etazonia, noho ny ambaran'izy ireo fa nanao osoka ara-bola ity filoha amerikana teo aloha ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...