♦ Hankalazaina miaraka ny 10 mey 2024 izao ny faha-5 taonan'ny fitsidihana apôstôlika nataon'i Papa François teto Madagasikara sy ny faha-35 taona ny fitsidihana apôstôlika nataon'ny Olomasina Jean Paul-II, teto amintsika ny taona 1989... ♦ Efa tonga any Mahajanga ny fanafody sy kojakoja ilaina andraisana an-tanana ireo voan'ilay areti-maso mirongatra any amin'ny Faritra Boeny... ♦ Efa nisokatra nanomboka ny volana novambra 2023 ny fizahan-tany ambanivohitra amin'ny lalam-pirenena faha-7 sahanin'ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FE.KRI.TA.MA... ♦ Mandalo fotoan-tsarotra ny Eglizy any Nicaragua noho ny olan'ny fahafahana ara-pivavahana misy any amin'ity firenena ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...