♦ Tsy mahavaly ny hetahetam-bahoaka ny Governemanta nijoro omaly hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Tsy mba nisy olom-boafidy tena mahita ny hetahetam-bahoaka ao anatin'ny akory,hoy izy ireo... ♦ Lalana maro eto Madagasikara no tsy misy fikojakojàna amin'izao fotoam-pahavaratra izao, ka vao mainka mihsimba. Mahavita tsara ny fanamboarana azy ireny anefa ny vola anatin'ny Fond Routier, hoy ny Depiote Rastany... ♦ Nivily lalana ka tsy ahiana handalo an-tanety eto Madagasikara ilay rivo-doza Belal ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Ho betsaka ny rotsak'orana amin'ny ilany avaratra sy avaratra andrefan'ny nosy anio sy rahampitso noho ity rivo-doza ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...