♦ Miara-misalahy amin'ny fanesorana ireo fako ao Antananarivo ny ministeran'ny rano sy ny Faritra Analamanga, mahatratra 2.000 m2 isan'andro ny fako hesorina ao an-drenivohitra... ♦ 25% amin'ny mponina eto Madagasikara tsy manana soram-piankohonana ary tsy afaka misitraka ireo zo mifandraika amin'izany... ♦ Manohana ireo orinasa misehatra amin'ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena ny governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny tetik'asa Pôle intégré de croissance na ny PIC andiany faharoa... ♦ Palestiniana miisa 80 indray no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny zera baomba mahery vaika nataon'ny tafika Israeliana tao Bande de Gaza...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...