♦ Sambany indray no nihaona mivantana teny Tsimbazaza, ny Praiminisitra sy ireo Solombavam-bahoaka, tao aorina'ilay fitsipaham-pitokisana tamin'ny taona 2022. Niresaka momba izany androany, Andriamatoa Naivo Raholdina, tamin'ny lahateniny... ♦ Miandry ny tolo-kevitra avy amin'ny CENI, ny Governemanta, momba ny datim-pifidianana, hoy ny Praminisitra... ♦ Tsy mety ho marin-toerana mihitsy ny vidin'entana ilaina andavanandro eny an-tsena, ka mahatonga fanararaotana. Nivory ny avy amin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa androany, nitady vahaolana momba izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...