♦ Noesorin'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena teny Ampefiloha ny Canal 7 Events sy ny Fahitalavitra Dream in. Tsy misy resaka pôlitika izao raharaha izao fa fanatanterahana didim-pitsaràna hoy ny fanazavàna... ♦ Nilaza ny teo anivon'ny Tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly omaly fa tsy marina ny filazàna fa lany paik'ady, ka tsy tokony hisy tohiny intsony ny fanenjehina an'Andriamatoa Mbola Rajaonah... ♦ Tanora maherin'ny 2 tapitrisa no ezahina hiditra anatin'ny sehatry ny asa ato anatin'ny 5 taona, aorian'ny fanarahana fiofanana arak'asa. Natomboka omaly tety amin'ny distrika Ambohidratrimo izany fandaharan'asa izany, omaly... ♦ Misy mangirana kely ny mety hiatoan'ny adin'ny Israeliana sy ny Palestiniana any Gaza...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...