♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i P. Jean Désiré Razafinirina, pretra diôsezanina avy ao Toliara... ♦ Hotontosaina ny 29 mey 2024, ny fifidianana Solombavam-bahoka; ary ny 6 nôvambra 2024, ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, raha ny vinavina tetiandro nambaran'ny CENI androany... ♦ Hiara-miasa amin'ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny mpianatra, sy ny fampidirana azy ireo eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany, ny Ivonteorana fanofanana araka asa ASFIFO, sy ny Université Catholique de Madagascar...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240212.mp3" background="#0099ffff"]

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...