♦ Manamafy ny fiara-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis Abeba any Etiopia... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo teny Analakely ny lanonam-panjakàna fandraisana ny fahefana sy nanolorana samboady ny PDS ho an'ny kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanambitana Richard. Nametraka izany ny Prefet an'Antananarivo, ny jeneraly Angelot Ravelonarivo... ♦ Manomboka anio ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny 8 marsa ao Toamasina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...