♦ Notendren'ny Papa François hiandraikitra ny Siège Titulaire d'Ursona ny Kardinaly Angel Fernandez Artime, lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco eran-tany. Ny 20 avrily izao no ametrahana azy amin'izany toerana izany... ♦ Hahazo vahana hatrany ny oram-baratra any amin'ny tapany atsimon'ny nosy noho ny fisian'ilay faritra andro ratsy ao amin'ny lakan-dranon'i Môzambika. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo Atsinanana, Faritra Atsimo Andrefana, miampy an'i Morondrava sy Taolagnaro... ♦ Mbola miaina anaty tebiteby ireo olona manana toe-batana varira amin'izao fotoana izao. Miisa efatra indray tao anatin'ny roa volana ny tranga fakàna ankeriny nihatra tamin'izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...