♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso ny oram-baratra amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Mahazo fampitandremana miloko mena ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Distrika sasany ao amin'ny Faritra Anosy, Atsimo-Andrefana ary Menabe... ♦ Nampitomboana iray ka lasa 120 ny isan'ny disitrika eto Madagasikara. Natsangana ho distrika nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly ny ao Antanimora-Atsimo... ♦ Lesoka amin'ny fanomezana traik'efa ny tanora eto amintsika hoy nySendikan'ny Indostria eto Madagasikara  ny tsy fahafahan'ny orinasa amin'ny sehatra tsy miankina mandray tanora manao fizaran'asa... ♦ Miantso ny fampisaharana haingana ny ady any Gaza ny fanjakàna any Chine...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...