♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ireo kandidà 119 avy amin'ny vovonana Firaisan-kina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Nandiso ireo vaovao miparitaka amin'ny Facebook Andriamatoa Marc Ravalomanana, omaly... ♦ Lehilahy iray, 63 taona, indray no tra-tehaka tamin'ny resaka fanolànana, omaly. Voalaza fa efa telo taona izao no nanolany ny zanany vavy vao 18 taona, ity raim-pianakaviana ity... ♦ Mbola maro ireo akon'ireo hetsika fanamarihana ny 8 marsa, nataon'ireo fikambanana samihafa eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra no hifampizarana amin'ny alalan'ny fampahalalana vaovao... ♦ Naneho ny fahavononany handamina ny ady eo amin'ny Rosia sy Ukraine ny filoha Turc, Recep Tayip Erdogan...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240309.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...