♦ Tsy voahaja ny voalazan'ny lalàna ny amin'ny tsy mbola namoahana ny didim-panjakàna mamaritra ny isan'ireo solombavambahoaka sy ny fari-pifidianana, manoloana ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey, hoy ny Sampana Fanaraha-maso Safidy... ♦ Nampahafantarina omaly ireo kandidà 20 andiany voalohany avy amin'ny antoko TIM; hirotsaka anatin'ny Vovonana Firaisan-kina, amin'ny fifidianana solombavambahoaka. Nisy ny fifandeferana tamin'ny fisafidianana ireo kandidà, hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manomboka miha-maro ireo mankalaza ny taom-baovao  Malagasy. Mahavelombolo ny zava-misy satria efa manomboka manome lanja ny kolontsainy ny Malagasy hoy ireo mpandala ny fomban-drazana...

[audio src="/images/sounds/jma-20240312.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...